# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mitomany an'ireo olon'i Jerosalema i Jesosy satria lavin'izy ireo ny mpitondra hafatra rehetra izay irahin'Andriamanitra amin'izy ireo. # Ry Jerosalema, ry Jerosalema Jesosy dia miresaka amin'ireo vahoakan'i Jerosalema toy ny hoe ilay tanàna mihitsy izy ireo. # izay irahina ho aminao Azo atao hoe DH: "ireo izay irahin'Andriamanitra" # zanakao Ataon'i Jesosy toy ny hoe vehivavy i Jerosalema ary ny vahoaka no zanany. DH: "ny vahoakanao" na "ireo mponinao" # tahaka ny akoho vavy iray manangona ny akoho kely ao ambany elany Io dia fampitahana izay mananamafy ny fitiavan'i Jesosy ireo olona sy ny fitiavany te hikarakara azy ireo. # akoho vavy Azonao andikana azy avokoa ireo biby izay miaro ireo zanany ao ambany elany. # ny tranonareo no avela ho lao ho anareo "Ho avelan'Andriamanitra ny tranonareo, ary ho foana izay" # ny tranonareo Ireo mety ho heviny dia 1) "ny tanànan'i Jerosalema"na 2) "ny tempoly" # lazaiko aminareo Manamafy izay lazain'i Jesosy manaraka io. # Isaorana anie izay avy amin'ny anaran'ny Tompo Eto ny hoe "amin'ny anaran'ny" dia midika hoe "amin'ny herin'ny" na "amin'ny maha mpisolo-tena." DH: "Isaorana Izy izay tonga amin'ny herin'ny Tompo" na "Hisarorana anie Izy izay tonga ho mpisolo-tenan'ny Tompo." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 21:19.