plt_tn/mat/23/25.md

20 lines
863 B
Markdown

# Loza ho anareo
"Loza mahatsiravina ho anareo!" Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:20.
# Fa diovinareo ny ivelan'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno fitsiriritana sy fahononana
Io dia sarin-teny izay midika hoe miseho ho madio eny ivelany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, saingy ao anatin'izy ireo dia ratsy fanahy izy ireo.
# feno fitsiriritana sy filana
"mitady izay ananan'ny hafa izy ireo, ary miasa ho an'ny tombotsoan'ny tenany ihany"
# Ianareo ry fariseo jamba
Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra.
# Diovy aloha ny ao anatin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho lasa madio ihany koa ny ivelany
Io dia sarin-teny izay midika fa raha tonga madio ao anaty izy ireo, dia ho lasa madio ivelany ihany koa vokatr'izany.