# Loza ho anareo "Loza mahatsiravina ho anareo!" Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:20. # Fa diovinareo ny ivelan'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno fitsiriritana sy fahononana Io dia sarin-teny izay midika hoe miseho ho madio eny ivelany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, saingy ao anatin'izy ireo dia ratsy fanahy izy ireo. # feno fitsiriritana sy filana "mitady izay ananan'ny hafa izy ireo, ary miasa ho an'ny tombotsoan'ny tenany ihany" # Ianareo ry fariseo jamba Jamba ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Na dia nihevi-tena ho mpampianatra aza izy ireo, dia tsy afaka nahatakatra ny fahamarinan'Andriamanitra. # Diovy aloha ny ao anatin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho lasa madio ihany koa ny ivelany Io dia sarin-teny izay midika fa raha tonga madio ao anaty izy ireo, dia ho lasa madio ivelany ihany koa vokatr'izany.