plt_tn/mat/21/12.md

44 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ity no manomboka ny tantaran'i Jesosy niditra tao amin'ny tempoly.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy faha 13, mamerina ny teny avy ao amin'ny Isaia i Jesosy mba hananarana ireo mpivarotra sy mpanakalo vola.
# niditra tao an-tempoly Jesosy
Tsy niditra tao amin'ny tena tempoly i Jesosy. Teo amin'ny tokotanin'ny tempoly Izy no niditra.
# mpividy sy mpivarotra
Ireo mpivarotra dia nivarotra biby sy zavatra hafa izay novidian'ireo vahiny mba hanolorana ny fanatitra tsara eo amin'ny tempoly.
# Hoy Izy tamin'izy ireo
"Hoy Jesosy tamin'ireo izay nanakalo vola sy nividy ary nivarotra zavatra"
# voasoratra hoe
Azo adika hoe DH: "nosoratan'ireo mpaminany hatry ny ela" na "nolazain'Andriamanitra hatry ny ela"
# Ny tranoko ho antsoina hoe
Azo atao hoe DH: "Ny tranoko dia ho"
# trano fivavahana
Fomba fiteny io DH: "toerana izay hivavahan'ny olona"
# zoky fieren'ny jiolahy
Mampiasa sarin-teny i Jesosy mba hibedesana ireo olona nohon'ny fividianana sy fivarotana tao amin'ny tempoly. DH: "toy ny toerana fiafenan'ireo jiolahy"
# jamba sy mandringa
Ireo mpamari-toetra ireo dia azao avadika ho mpamaritra anarana. DH: "ny jamba sy ny mandringa"
# mandringa
manana tongotra na ranjo voa mafy izay manasarotra ny fandehanana.