plt_tn/mat/21/12.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no manomboka ny tantaran'i Jesosy niditra tao amin'ny tempoly.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 13, mamerina ny teny avy ao amin'ny Isaia i Jesosy mba hananarana ireo mpivarotra sy mpanakalo vola.

niditra tao an-tempoly Jesosy

Tsy niditra tao amin'ny tena tempoly i Jesosy. Teo amin'ny tokotanin'ny tempoly Izy no niditra.

mpividy sy mpivarotra

Ireo mpivarotra dia nivarotra biby sy zavatra hafa izay novidian'ireo vahiny mba hanolorana ny fanatitra tsara eo amin'ny tempoly.

Hoy Izy tamin'izy ireo

"Hoy Jesosy tamin'ireo izay nanakalo vola sy nividy ary nivarotra zavatra"

voasoratra hoe

Azo adika hoe DH: "nosoratan'ireo mpaminany hatry ny ela" na "nolazain'Andriamanitra hatry ny ela"

Ny tranoko ho antsoina hoe

Azo atao hoe DH: "Ny tranoko dia ho"

trano fivavahana

Fomba fiteny io DH: "toerana izay hivavahan'ny olona"

zoky fieren'ny jiolahy

Mampiasa sarin-teny i Jesosy mba hibedesana ireo olona nohon'ny fividianana sy fivarotana tao amin'ny tempoly. DH: "toy ny toerana fiafenan'ireo jiolahy"

jamba sy mandringa

Ireo mpamari-toetra ireo dia azao avadika ho mpamaritra anarana. DH: "ny jamba sy ny mandringa"

mandringa

manana tongotra na ranjo voa mafy izay manasarotra ny fandehanana.