plt_tn/mat/19/03.md

643 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manomboka mampianatra momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-bady i Jesosy.

Nanatona Azy

"nankeo amin'i Jesosy"

nitsapa Azy, niteny taminy hoe

Eto ny hoe "nitsapa" dia ampiasaina amin'ny endrika ratsy. DH: "ary nihantsy Azy tamin'ny nanontaniany Azy hoe" na "ary te hamandrika Azy tamin'ny nanontaniany Azy hoe"

Tsy novakianareo va fa Izy izay nanao azy ireo tamin'ny voalohany dia nanao azy ireo ho lahy sy vavy?

Mamoisa fanontaniana i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo. DH: "Efa voavakinareo tokoa fa tamin'ny voalohany, rehefa nanamboatra olona Andriamanitra, dia nataony lahy sy vavy izany"