# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manomboka mampianatra momba ny fanambadiana sy ny fisaraham-bady i Jesosy. # Nanatona Azy "nankeo amin'i Jesosy" # nitsapa Azy, niteny taminy hoe Eto ny hoe "nitsapa" dia ampiasaina amin'ny endrika ratsy. DH: "ary nihantsy Azy tamin'ny nanontaniany Azy hoe" na "ary te hamandrika Azy tamin'ny nanontaniany Azy hoe" # Tsy novakianareo va fa Izy izay nanao azy ireo tamin'ny voalohany dia nanao azy ireo ho lahy sy vavy? Mamoisa fanontaniana i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo. DH: "Efa voavakinareo tokoa fa tamin'ny voalohany, rehefa nanamboatra olona Andriamanitra, dia nataony lahy sy vavy izany"