plt_tn/mat/16/27.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Zanak'Olona ... ny Rainy ... Avy eo Izy
Eto dia milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. DH: "Izaho, ilay Zanak'Olona ... ny Raiko ... Ary Izaho"
# amin'ny voninahitry ny Rainy
"manana ny voninahitra tahaka ny an'ny Rainy"
# miaraka amin'ireo anjeliny
"ary hiaraka aminy ireo anjely."
# ny Rainy
Io dia fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra, izay mamaritra ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'Olona, Jesosy.
# Lazaiko marina aminareo
"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# aminareo
Manondro ireo mpianatra avokoa ny "-nareo" eto.
# hanandrana fahafatesana
Eto ny hoe "manandrana" dia midika hoe miaina. DH: "tsy mba hiaina an'izay fahafatesana izany" na "tsy ho faty"
# mandra-pahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanjakany
Eto ny "fanjakana" dia maneho ny Zanak'Olona manapaka amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "mandra-pahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga hanapaka toy ny mpanjaka"
# mandra-pahitan'izy ireo
Mbola miresaka momba ireo mpianany ihany i Jesosy. DH: "mandra-pahitanareo"