plt_tn/mat/16/27.md

1.1 KiB

Zanak'Olona ... ny Rainy ... Avy eo Izy

Eto dia milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. DH: "Izaho, ilay Zanak'Olona ... ny Raiko ... Ary Izaho"

amin'ny voninahitry ny Rainy

"manana ny voninahitra tahaka ny an'ny Rainy"

miaraka amin'ireo anjeliny

"ary hiaraka aminy ireo anjely."

ny Rainy

Io dia fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra, izay mamaritra ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy ny Zanak'Olona, Jesosy.

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

aminareo

Manondro ireo mpianatra avokoa ny "-nareo" eto.

hanandrana fahafatesana

Eto ny hoe "manandrana" dia midika hoe miaina. DH: "tsy mba hiaina an'izay fahafatesana izany" na "tsy ho faty"

mandra-pahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanjakany

Eto ny "fanjakana" dia maneho ny Zanak'Olona manapaka amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "mandra-pahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga hanapaka toy ny mpanjaka"

mandra-pahitan'izy ireo

Mbola miresaka momba ireo mpianany ihany i Jesosy. DH: "mandra-pahitanareo"