plt_tn/mat/16/21.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Milaza mialoha ny fahafatesany i Jesosy ary manomboka milaza amin'ireo mpianany ny vidin'ny fanarahan-dia Azy.
# Tamin'izany fotoana izany
Rehefa avy nandidy ireo mpianany tsy hilaza amin'iza na iza fa Izy no Kristy, dia nanomboka nizara tamin'izy ireo ny amin'izay tsy maintsy hiseho any Jerosalema i Jesosy.
# hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna
Eto ny hoe "tanana" dia maneho fahefana. DH: "izay hampijalian'ireo loholona, lohan'ny mpisorona, ary ny mpanora-dalàna Azy"
# ho vonoina
Azo atao hoe DH: "hamono Azy izy ireo"
# hatsangana indray amin'ny andro fahatelo
Azo atao hoe DH: "amin'ny andro fahatelo, dia ho velomin'Andriamanitra indray Izy"
# Ho lavitra anao anie izany
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "sanatria anie izany raha hitranga." DH: "Tsia" na "sanatria" na "Tsy hamela izany anie Andriamanitra"
# Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy
Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia mihevitra toa an'i Satana i Petera satria miezaka ny hanakana an'i Jesosy tsy hahatanteraka izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mandehana any ivohoko, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Vato fanafitohinana ho Ahy ianao" na "Mandehana any ivohoko, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria vato fanafitohinana ho Ahy"
# Mialà any ivohoko
"Mialà amiko"