plt_tn/mat/16/21.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Milaza mialoha ny fahafatesany i Jesosy ary manomboka milaza amin'ireo mpianany ny vidin'ny fanarahan-dia Azy.

Tamin'izany fotoana izany

Rehefa avy nandidy ireo mpianany tsy hilaza amin'iza na iza fa Izy no Kristy, dia nanomboka nizara tamin'izy ireo ny amin'izay tsy maintsy hiseho any Jerosalema i Jesosy.

hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna

Eto ny hoe "tanana" dia maneho fahefana. DH: "izay hampijalian'ireo loholona, lohan'ny mpisorona, ary ny mpanora-dalàna Azy"

ho vonoina

Azo atao hoe DH: "hamono Azy izy ireo"

hatsangana indray amin'ny andro fahatelo

Azo atao hoe DH: "amin'ny andro fahatelo, dia ho velomin'Andriamanitra indray Izy"

Ho lavitra anao anie izany

Io dia fomba fiteny izay midika hoe "sanatria anie izany raha hitranga." DH: "Tsia" na "sanatria" na "Tsy hamela izany anie Andriamanitra"

Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy

Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia mihevitra toa an'i Satana i Petera satria miezaka ny hanakana an'i Jesosy tsy hahatanteraka izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mandehana any ivohoko, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Vato fanafitohinana ho Ahy ianao" na "Mandehana any ivohoko, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria vato fanafitohinana ho Ahy"

Mialà any ivohoko

"Mialà amiko"