# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Milaza mialoha ny fahafatesany i Jesosy ary manomboka milaza amin'ireo mpianany ny vidin'ny fanarahan-dia Azy. # Tamin'izany fotoana izany Rehefa avy nandidy ireo mpianany tsy hilaza amin'iza na iza fa Izy no Kristy, dia nanomboka nizara tamin'izy ireo ny amin'izay tsy maintsy hiseho any Jerosalema i Jesosy. # hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna Eto ny hoe "tanana" dia maneho fahefana. DH: "izay hampijalian'ireo loholona, lohan'ny mpisorona, ary ny mpanora-dalàna Azy" # ho vonoina Azo atao hoe DH: "hamono Azy izy ireo" # hatsangana indray amin'ny andro fahatelo Azo atao hoe DH: "amin'ny andro fahatelo, dia ho velomin'Andriamanitra indray Izy" # Ho lavitra anao anie izany Io dia fomba fiteny izay midika hoe "sanatria anie izany raha hitranga." DH: "Tsia" na "sanatria" na "Tsy hamela izany anie Andriamanitra" # Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia mihevitra toa an'i Satana i Petera satria miezaka ny hanakana an'i Jesosy tsy hahatanteraka izay nanirahan'Andriamanitra Azy. DH: "Mandehana any ivohoko, satria mihevitra toa an'i Satana ianao! Vato fanafitohinana ho Ahy ianao" na "Mandehana any ivohoko, ry Satana! Antsoiko hoe Satana ianao satria vato fanafitohinana ho Ahy" # Mialà any ivohoko "Mialà amiko"