plt_tn/mat/16/13.md

20 lines
783 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany ny tantara. Manontany i Jesosy amin'ireo mpianany raha takatr'izy ireo hoe iza Izy.
# Ary
Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fizotran'ny tantara na mba hampidirana olona vaovao. Eto i Matio dia manomboka milaza fizaran-tantara vaovao.
# ny Zanak'Olona
Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.
# Zanak'ilay Andriamanitra velona
Io dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mampiseho ny fifandraisany amin'Andriamanitra.
# Andriamanitra velona
Eto ny hoe "velona" dia mampifanohitra ny Andriamanitr'Israely amin'ireo andriamanitra tsy izy sy ireo sampy izay hivavahan'ny olona. Ny Andriamanitr'Israely ihany no velona sady manana fahefana hiasa.