plt_tn/mat/16/13.md

783 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany ny tantara. Manontany i Jesosy amin'ireo mpianany raha takatr'izy ireo hoe iza Izy.

Ary

Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fizotran'ny tantara na mba hampidirana olona vaovao. Eto i Matio dia manomboka milaza fizaran-tantara vaovao.

ny Zanak'Olona

Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy.

Zanak'ilay Andriamanitra velona

Io dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mampiseho ny fifandraisany amin'Andriamanitra.

Andriamanitra velona

Eto ny hoe "velona" dia mampifanohitra ny Andriamanitr'Israely amin'ireo andriamanitra tsy izy sy ireo sampy izay hivavahan'ny olona. Ny Andriamanitr'Israely ihany no velona sady manana fahefana hiasa.