# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany ny tantara. Manontany i Jesosy amin'ireo mpianany raha takatr'izy ireo hoe iza Izy. # Ary Io teny io eto dia ampiasaina mba hanamarihana fiatona eo amin'ny fizotran'ny tantara na mba hampidirana olona vaovao. Eto i Matio dia manomboka milaza fizaran-tantara vaovao. # ny Zanak'Olona Milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. # Zanak'ilay Andriamanitra velona Io dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mampiseho ny fifandraisany amin'Andriamanitra. # Andriamanitra velona Eto ny hoe "velona" dia mampifanohitra ny Andriamanitr'Israely amin'ireo andriamanitra tsy izy sy ireo sampy izay hivavahan'ny olona. Ny Andriamanitr'Israely ihany no velona sady manana fahefana hiasa.