plt_tn/mat/15/07.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mamarana ny famaliany ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna i Jesosy.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy faha 8 sy 9, i Jesosy dia mamerina ny tenin'Isaia mpaminany mba hananarana ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna.
# Marina ny faminanian'Isaia momba anareo
"Nilaza ny marina Isaia tamin'ny faminaniana momba anareo"
# raha nilaza izy hoe
Midika izany fa nanambara izay nolazain'Andriamanitra taminy Isaia. DH: "raha nilaza izay nambaran'Andriamanitra izy''
# Ity vahoaka ity dia manaja ahy amin'ny molotr'izy ireo
Eto ny "molotra" dia ilazana ny hoe miteny. DH: "Ireto vahoaka ireto dia milaza ny zavatra tsara rehetra amiko"
# ahy
Manondro an'Andriamanitra avokoa ny "ahy" rehetra eto.
# fa ny fon'izy ireo dia lavitra ahy
Eto ny "fo" dia ilazana ny eritreritra na fihetseham-pon'ny olona iray. Ity teny ity dia fomba hitenenana fa tsy tena manolo-tena ho an'Andriamanitra ny olona. DH: "fa tsy tena tia Ahy izy ireo"
# Tsy misy dikany ny fiderany ahy
"Tsy misy dikany amiko ny fideran'izy ireo" na "Mody midera Ahy fotsiny izy ireo"
# ny didin'olombelona
"ireo fitsipika narafitry ny olona"