plt_tn/mat/15/07.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamarana ny famaliany ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 8 sy 9, i Jesosy dia mamerina ny tenin'Isaia mpaminany mba hananarana ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna.

Marina ny faminanian'Isaia momba anareo

"Nilaza ny marina Isaia tamin'ny faminaniana momba anareo"

raha nilaza izy hoe

Midika izany fa nanambara izay nolazain'Andriamanitra taminy Isaia. DH: "raha nilaza izay nambaran'Andriamanitra izy''

Ity vahoaka ity dia manaja ahy amin'ny molotr'izy ireo

Eto ny "molotra" dia ilazana ny hoe miteny. DH: "Ireto vahoaka ireto dia milaza ny zavatra tsara rehetra amiko"

ahy

Manondro an'Andriamanitra avokoa ny "ahy" rehetra eto.

fa ny fon'izy ireo dia lavitra ahy

Eto ny "fo" dia ilazana ny eritreritra na fihetseham-pon'ny olona iray. Ity teny ity dia fomba hitenenana fa tsy tena manolo-tena ho an'Andriamanitra ny olona. DH: "fa tsy tena tia Ahy izy ireo"

Tsy misy dikany ny fiderany ahy

"Tsy misy dikany amiko ny fideran'izy ireo" na "Mody midera Ahy fotsiny izy ireo"

ny didin'olombelona

"ireo fitsipika narafitry ny olona"