# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamarana ny famaliany ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna i Jesosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 8 sy 9, i Jesosy dia mamerina ny tenin'Isaia mpaminany mba hananarana ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna. # Marina ny faminanian'Isaia momba anareo "Nilaza ny marina Isaia tamin'ny faminaniana momba anareo" # raha nilaza izy hoe Midika izany fa nanambara izay nolazain'Andriamanitra taminy Isaia. DH: "raha nilaza izay nambaran'Andriamanitra izy'' # Ity vahoaka ity dia manaja ahy amin'ny molotr'izy ireo Eto ny "molotra" dia ilazana ny hoe miteny. DH: "Ireto vahoaka ireto dia milaza ny zavatra tsara rehetra amiko" # ahy Manondro an'Andriamanitra avokoa ny "ahy" rehetra eto. # fa ny fon'izy ireo dia lavitra ahy Eto ny "fo" dia ilazana ny eritreritra na fihetseham-pon'ny olona iray. Ity teny ity dia fomba hitenenana fa tsy tena manolo-tena ho an'Andriamanitra ny olona. DH: "fa tsy tena tia Ahy izy ireo" # Tsy misy dikany ny fiderany ahy "Tsy misy dikany amiko ny fideran'izy ireo" na "Mody midera Ahy fotsiny izy ireo" # ny didin'olombelona "ireo fitsipika narafitry ny olona"