plt_tn/mat/13/40.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mamarana ny fanazavany amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay saha nisy vary sy tsimparifary i Jesosy.

Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin'ny afo

Azo adika hoe DH: "Noho izany, tahaka ny fanagonan'ny olona ny tsimparifary sy handorany azy ireo any amin'ny afo"

fiafaran'izao tontolo izao

"fara-andro"

Haniraka ireo anjeliny ny Zanak'Olona

Eto dia milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. DH: "Izaho, ilay Zanak'Olona, dia haniraka ireo anjeliko"

ireo izay manao ratsy

"ireo izay tsy manara-dalàna" na "ireo olon-dratsy"

lafoaro lehibe mirehitra afo

Io dia sarin-teny ilazana ny afon'ny helo. Raha tsy misy mahafantatra ny hoe "lafaoro", dia azo ampiasaina ny hoe "fatana."

hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify

Maneho alahelo sy fahoriana lehibe izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 8:11.

hamiratra toy ny masoandro

Raha saro-takarina io fampitahana io amin'ny fiteninao, dia afaka ampiasainao ny hoe: "aoka ho mora tazana toy ny masoandro."

Rain'izy ireo

Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.

Izay manan-tsofina

Io dia fomba hanondroana izay rehetra mihaino. DH: "Ny olon-drehetra izay mihaino Ahy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13.

aoka izy hihaino

Eto ny "mihaino" dia midika hoe mitandrina. DH: "hitandrina tsara izay lazaiko." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13.