plt_tn/mat/13/40.md

44 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mamarana ny fanazavany amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay saha nisy vary sy tsimparifary i Jesosy.
# Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin'ny afo
Azo adika hoe DH: "Noho izany, tahaka ny fanagonan'ny olona ny tsimparifary sy handorany azy ireo any amin'ny afo"
# fiafaran'izao tontolo izao
"fara-andro"
# Haniraka ireo anjeliny ny Zanak'Olona
Eto dia milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. DH: "Izaho, ilay Zanak'Olona, dia haniraka ireo anjeliko"
# ireo izay manao ratsy
"ireo izay tsy manara-dalàna" na "ireo olon-dratsy"
# lafoaro lehibe mirehitra afo
Io dia sarin-teny ilazana ny afon'ny helo. Raha tsy misy mahafantatra ny hoe "lafaoro", dia azo ampiasaina ny hoe "fatana."
# hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify
Maneho alahelo sy fahoriana lehibe izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 8:11.
# hamiratra toy ny masoandro
Raha saro-takarina io fampitahana io amin'ny fiteninao, dia afaka ampiasainao ny hoe: "aoka ho mora tazana toy ny masoandro."
# Rain'izy ireo
Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.
# Izay manan-tsofina
Io dia fomba hanondroana izay rehetra mihaino. DH: "Ny olon-drehetra izay mihaino Ahy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13.
# aoka izy hihaino
Eto ny "mihaino" dia midika hoe mitandrina. DH: "hitandrina tsara izay lazaiko." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13.