# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mamarana ny fanazavany amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay saha nisy vary sy tsimparifary i Jesosy. # Noho izany, tahaka ny anangonana sy andorana ireo tsimparifary amin'ny afo Azo adika hoe DH: "Noho izany, tahaka ny fanagonan'ny olona ny tsimparifary sy handorany azy ireo any amin'ny afo" # fiafaran'izao tontolo izao "fara-andro" # Haniraka ireo anjeliny ny Zanak'Olona Eto dia milaza ny amin'ny tenany ihany i Jesosy. DH: "Izaho, ilay Zanak'Olona, dia haniraka ireo anjeliko" # ireo izay manao ratsy "ireo izay tsy manara-dalàna" na "ireo olon-dratsy" # lafoaro lehibe mirehitra afo Io dia sarin-teny ilazana ny afon'ny helo. Raha tsy misy mahafantatra ny hoe "lafaoro", dia azo ampiasaina ny hoe "fatana." # hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify Maneho alahelo sy fahoriana lehibe izany. Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 8:11. # hamiratra toy ny masoandro Raha saro-takarina io fampitahana io amin'ny fiteninao, dia afaka ampiasainao ny hoe: "aoka ho mora tazana toy ny masoandro." # Rain'izy ireo Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io. # Izay manan-tsofina Io dia fomba hanondroana izay rehetra mihaino. DH: "Ny olon-drehetra izay mihaino Ahy." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13. # aoka izy hihaino Eto ny "mihaino" dia midika hoe mitandrina. DH: "hitandrina tsara izay lazaiko." Jereo ny fomba nandikanao izany ao amin'ny 11:13.