plt_tn/mat/13/18.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Eto dia manomboka manazava amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay olona namafy voa, izay niantomboka tao amin'ny 13:3 i Jesosy.
# ny tenin'ny fanjakana
Eto ny "teny" dia ilazana hafatra iray. Ary ny "fanjakana" dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "ny hafatra momba ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy"
# tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony
Miresaka momba an'i Satana izay mahatonga ny olona iray hanadino izy norenesiny toy ny vorona mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany i Jesosy. DH: "Mahatonga azy hanadino ny hafatra izay reny toy ny vorona izay mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany ilay ratsy"
# ilay ratsy
Maneho an'i Satana io.
# manongotra
Miezaha mampiasa teny izay mahalaza ny hoe mandroba zavatra amin'ny olona izay tena tompony.
# izay nafafy tao am-pony
Azo adika hoe DH: "ilay hafatra izay nafafin'Andriamanitra tao am-pony" na "ilay hafatra izay reny"
# tao am-pony
Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ilay mpihaino.
# ilay voa nafafy teny amoron-dalana
"Izany no dikan'ilay voa izay voafafy teny amoron-dalana" na "Ny lalana izay namafazana ireo voa dia maneho izany olona izany"
# amoron-dalana
Adikao araka ny nandikanao azy tao amin'ny 13:3 io.