plt_tn/mat/13/18.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto dia manomboka manazava amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay olona namafy voa, izay niantomboka tao amin'ny 13:3 i Jesosy.

ny tenin'ny fanjakana

Eto ny "teny" dia ilazana hafatra iray. Ary ny "fanjakana" dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "ny hafatra momba ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy"

tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony

Miresaka momba an'i Satana izay mahatonga ny olona iray hanadino izy norenesiny toy ny vorona mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany i Jesosy. DH: "Mahatonga azy hanadino ny hafatra izay reny toy ny vorona izay mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany ilay ratsy"

ilay ratsy

Maneho an'i Satana io.

manongotra

Miezaha mampiasa teny izay mahalaza ny hoe mandroba zavatra amin'ny olona izay tena tompony.

izay nafafy tao am-pony

Azo adika hoe DH: "ilay hafatra izay nafafin'Andriamanitra tao am-pony" na "ilay hafatra izay reny"

tao am-pony

Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ilay mpihaino.

ilay voa nafafy teny amoron-dalana

"Izany no dikan'ilay voa izay voafafy teny amoron-dalana" na "Ny lalana izay namafazana ireo voa dia maneho izany olona izany"

amoron-dalana

Adikao araka ny nandikanao azy tao amin'ny 13:3 io.