# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Eto dia manomboka manazava amin'ireo mpianany ny fanoharana momba ilay olona namafy voa, izay niantomboka tao amin'ny 13:3 i Jesosy. # ny tenin'ny fanjakana Eto ny "teny" dia ilazana hafatra iray. Ary ny "fanjakana" dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "ny hafatra momba ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy" # tonga ilay ratsy ary manongotra izay nafafy tao am-pony Miresaka momba an'i Satana izay mahatonga ny olona iray hanadino izy norenesiny toy ny vorona mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany i Jesosy. DH: "Mahatonga azy hanadino ny hafatra izay reny toy ny vorona izay mandrapaka ny voa avy eo amin'ny tany ilay ratsy" # ilay ratsy Maneho an'i Satana io. # manongotra Miezaha mampiasa teny izay mahalaza ny hoe mandroba zavatra amin'ny olona izay tena tompony. # izay nafafy tao am-pony Azo adika hoe DH: "ilay hafatra izay nafafin'Andriamanitra tao am-pony" na "ilay hafatra izay reny" # tao am-pony Eto ny "fo" dia ilazana ny sain'ilay mpihaino. # ilay voa nafafy teny amoron-dalana "Izany no dikan'ilay voa izay voafafy teny amoron-dalana" na "Ny lalana izay namafazana ireo voa dia maneho izany olona izany" # amoron-dalana Adikao araka ny nandikanao azy tao amin'ny 13:3 io.