plt_tn/mat/13/01.md

24 lines
732 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay anombohan'i Jesosy mampianatra ireo vahoaka, amin'ny fampiasana fanoharana momba ny fanjakan'ny lanitra.
# Tamin'izany andro izany
Niseho tamin'ny andro nisehoan'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ihany ireto.
# nipetraka teo amoron'ny ranomasina
Ny hevitra ambadik'izany dia nipetraka mba hampianatra ny olona Izy.
# nivoaka ny trano
Tsy voalaza hoe tranon'iza no nijanonan'i Jesosy.
# ka dia niditra tao an-tsambokely Izy
Ny hevitra ambadik'izany dia niditra tao anaty sambokely i Jesosy mba ho moramora kokoa ny mapianatra ireo olona.
# an-tsambokely
Mety ho sambo tsy misarona, vita amin'ny hazo misy lay fitondra manjono io.