plt_tn/mat/13/01.md

732 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay anombohan'i Jesosy mampianatra ireo vahoaka, amin'ny fampiasana fanoharana momba ny fanjakan'ny lanitra.

Tamin'izany andro izany

Niseho tamin'ny andro nisehoan'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ihany ireto.

nipetraka teo amoron'ny ranomasina

Ny hevitra ambadik'izany dia nipetraka mba hampianatra ny olona Izy.

nivoaka ny trano

Tsy voalaza hoe tranon'iza no nijanonan'i Jesosy.

ka dia niditra tao an-tsambokely Izy

Ny hevitra ambadik'izany dia niditra tao anaty sambokely i Jesosy mba ho moramora kokoa ny mapianatra ireo olona.

an-tsambokely

Mety ho sambo tsy misarona, vita amin'ny hazo misy lay fitondra manjono io.