# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay anombohan'i Jesosy mampianatra ireo vahoaka, amin'ny fampiasana fanoharana momba ny fanjakan'ny lanitra. # Tamin'izany andro izany Niseho tamin'ny andro nisehoan'ireo tranga tao amin'ny toko teo aloha ihany ireto. # nipetraka teo amoron'ny ranomasina Ny hevitra ambadik'izany dia nipetraka mba hampianatra ny olona Izy. # nivoaka ny trano Tsy voalaza hoe tranon'iza no nijanonan'i Jesosy. # ka dia niditra tao an-tsambokely Izy Ny hevitra ambadik'izany dia niditra tao anaty sambokely i Jesosy mba ho moramora kokoa ny mapianatra ireo olona. # an-tsambokely Mety ho sambo tsy misarona, vita amin'ny hazo misy lay fitondra manjono io.