plt_tn/mat/12/48.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity no fiafaran'ny fizaran-tantara izay niantomboka tao amin'ny toko 12:1, izay nilazan'ny mpanoratra ny amin'ny fitomboan'ny fanoherana ny asa fanompoan'i Jesosy.

ilay niteny Azy

Ny antsipirihiny amin'ny hafatra nambaran'ilay olona tamin'i Jesosy dia efa takatra ary tsy miverina eto. DH: "izay nilaza tamin'i Jesosy fa te hiresaka aminy ny reniny sy ireo rahalahiny"

Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Jesosy mba hampianarana ireo olona. DH: "Hilaza aminareo izay tena reniko sy rahalahiko Aho"

Jereo

Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

indreto ny reniko sy ireo rahalahiko

Io dia sarin-teny izay midika fa isan'ireo fianakaviana ara-panahin'i Jesosy ireo mpianany. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo.

Fa izay

"izay rehetra"

Raiko

Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.

dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko

Io dia sarin-teny izay midika fa ireo izay mankatoa an'Andriamanitra dia isan'ny fianakaviana ara-panahin'i Jesosy. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo.