plt_tn/mat/12/48.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ity no fiafaran'ny fizaran-tantara izay niantomboka tao amin'ny toko 12:1, izay nilazan'ny mpanoratra ny amin'ny fitomboan'ny fanoherana ny asa fanompoan'i Jesosy.
# ilay niteny Azy
Ny antsipirihiny amin'ny hafatra nambaran'ilay olona tamin'i Jesosy dia efa takatra ary tsy miverina eto. DH: "izay nilaza tamin'i Jesosy fa te hiresaka aminy ny reniny sy ireo rahalahiny"
# Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko?
Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Jesosy mba hampianarana ireo olona. DH: "Hilaza aminareo izay tena reniko sy rahalahiko Aho"
# Jereo
Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# indreto ny reniko sy ireo rahalahiko
Io dia sarin-teny izay midika fa isan'ireo fianakaviana ara-panahin'i Jesosy ireo mpianany. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo.
# Fa izay
"izay rehetra"
# Raiko
Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.
# dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko
Io dia sarin-teny izay midika fa ireo izay mankatoa an'Andriamanitra dia isan'ny fianakaviana ara-panahin'i Jesosy. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo.