# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ity no fiafaran'ny fizaran-tantara izay niantomboka tao amin'ny toko 12:1, izay nilazan'ny mpanoratra ny amin'ny fitomboan'ny fanoherana ny asa fanompoan'i Jesosy. # ilay niteny Azy Ny antsipirihiny amin'ny hafatra nambaran'ilay olona tamin'i Jesosy dia efa takatra ary tsy miverina eto. DH: "izay nilaza tamin'i Jesosy fa te hiresaka aminy ny reniny sy ireo rahalahiny" # Iza no reniko ary iza ireo rahalahiko? Mampiasa ireo fanontaniana ireo i Jesosy mba hampianarana ireo olona. DH: "Hilaza aminareo izay tena reniko sy rahalahiko Aho" # Jereo Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io. # indreto ny reniko sy ireo rahalahiko Io dia sarin-teny izay midika fa isan'ireo fianakaviana ara-panahin'i Jesosy ireo mpianany. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo. # Fa izay "izay rehetra" # Raiko Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io. # dia izany olona izany no rahalahiko, sy ny anabaviko, ary reniko Io dia sarin-teny izay midika fa ireo izay mankatoa an'Andriamanitra dia isan'ny fianakaviana ara-panahin'i Jesosy. Lehibe kokoa izany noho ny hoe isan'ny fianakaviany ara-nofo.