plt_tn/mat/12/24.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny andininy faha 25, i Jesosy dia manomboka mamaly ny fiampangan'ireo Fariseo fa nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny alalan'ny herin'i Satana Izy.

izany fahagagana izany

Maneho ilay fahagagan'ny fanasitranana lehilahy jamba, moana, izay nofatoran'ny demonia io.

Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba

Azo adika hoe DH: "satria manompon'i Belzeboba izy, dia izany ihany no ahafahan'io lehilahy io mamoaka demonia"

Io lehilahy io

Tsy miantso an'i Jesosy amin'ny anarany ireo Fariseo mba hampisehoana fa mandà Azy.

lehiben'ny demonia

"andrian'ny demonia"

Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava

Mampiasa ohabolana i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo. Samy mitovy hevitra ireo teny roa ireo. Manamafy ireo fa tsy misy dikany raha mampiasa ny heriny mba hiadiana amin'ny demonia hafa i Belzeboba.

Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra

Eto ny "fanjakana" dia maneho ireo izay monina ao amin'ilay fanjakana. Azo adika hoe DH: "tsy haharitra ny fanjakana iray raha miady eo amin'ny samy izy ireo ny olona"

ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava

Eto ny "tanàna" dia maneho ireo olona monina ao. Ary ny "trano" dia maneho fianakaviana iray. DH: "potika ny tanàna na trano iray rehefa mifampiady ny olona"