plt_tn/mat/12/24.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy faha 25, i Jesosy dia manomboka mamaly ny fiampangan'ireo Fariseo fa nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny alalan'ny herin'i Satana Izy.
# izany fahagagana izany
Maneho ilay fahagagan'ny fanasitranana lehilahy jamba, moana, izay nofatoran'ny demonia io.
# Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba
Azo adika hoe DH: "satria manompon'i Belzeboba izy, dia izany ihany no ahafahan'io lehilahy io mamoaka demonia"
# Io lehilahy io
Tsy miantso an'i Jesosy amin'ny anarany ireo Fariseo mba hampisehoana fa mandà Azy.
# lehiben'ny demonia
"andrian'ny demonia"
# Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava
Mampiasa ohabolana i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo. Samy mitovy hevitra ireo teny roa ireo. Manamafy ireo fa tsy misy dikany raha mampiasa ny heriny mba hiadiana amin'ny demonia hafa i Belzeboba.
# Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra
Eto ny "fanjakana" dia maneho ireo izay monina ao amin'ilay fanjakana. Azo adika hoe DH: "tsy haharitra ny fanjakana iray raha miady eo amin'ny samy izy ireo ny olona"
# ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava
Eto ny "tanàna" dia maneho ireo olona monina ao. Ary ny "trano" dia maneho fianakaviana iray. DH: "potika ny tanàna na trano iray rehefa mifampiady ny olona"