# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 25, i Jesosy dia manomboka mamaly ny fiampangan'ireo Fariseo fa nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny alalan'ny herin'i Satana Izy. # izany fahagagana izany Maneho ilay fahagagan'ny fanasitranana lehilahy jamba, moana, izay nofatoran'ny demonia io. # Io lehilahy io dia tsy mamoaka demonia raha-tsy amin'ny alalan'i Belzeboba Azo adika hoe DH: "satria manompon'i Belzeboba izy, dia izany ihany no ahafahan'io lehilahy io mamoaka demonia" # Io lehilahy io Tsy miantso an'i Jesosy amin'ny anarany ireo Fariseo mba hampisehoana fa mandà Azy. # lehiben'ny demonia "andrian'ny demonia" # Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra, ary ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava Mampiasa ohabolana i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo. Samy mitovy hevitra ireo teny roa ireo. Manamafy ireo fa tsy misy dikany raha mampiasa ny heriny mba hiadiana amin'ny demonia hafa i Belzeboba. # Ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra Eto ny "fanjakana" dia maneho ireo izay monina ao amin'ilay fanjakana. Azo adika hoe DH: "tsy haharitra ny fanjakana iray raha miady eo amin'ny samy izy ireo ny olona" # ny tanàna na trano rehetra miady an-trano dia ho rava Eto ny "tanàna" dia maneho ireo olona monina ao. Ary ny "trano" dia maneho fianakaviana iray. DH: "potika ny tanàna na trano iray rehefa mifampiady ny olona"