plt_tn/mat/12/01.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no fiandohan'ny fizaran-tantara vaovao izay ilazan'ny mpanoratra ny amin'ny fitomboan'ny fanoherana ny asan'i Jesosy. Eto, ireo Fariseo dia mitsikera ireo mpianany noho ny fanotazana vary amin'ny andro Sabata.
# Tamin'izany fotoana izany
Manamarika fizarana vaovao ao amin'ny tantara io. DH: "Taoriana kelin'izany"
# tanimbary
Toerana hambolena vary.
# nanoty salohim-bary dia nihinanana ireo ... manao izay tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny Sabata
Ny fanotazana voa eny amin'ny tanimbolin'olon-kafa dia tsy raisina ho fangalarana. Ny fanontaniana dia heo afaka ara-dalàna ve ny fanaovana izany amin'ny andro Sabata.
# nanoty salohim-bary dia nihinanana ireo
"maka kely amin'ireo vary ary mihinana izany" na "maka kely amin'ireo voa ary mihinana izany"
# salohim-bary
Io no laohan'ny vary maniry. Io no mihazaona ny voa matoy.
# ireo Fariseo
Tsy hoe ny Fariseo rehetra no dikan'io. DH: "ny sasany tamin'ireo Fariseho"
# Jereo
Mampiasa io teny io ireo Fariseo mba hisintonana ny saina manoloana izay ataon'ireo mpianatra.