plt_tn/mat/10/19.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpianany i Jesosy, momba ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory.
# Rehefa manolotra anareo izy ireo
"Rehefa manolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra ny olona." Ny "olona"eto dia ireo olona tao amin'ny 10:16 ihany.
# aza manana ahiahy
"aza miahiahy"
# ahoana na inona no ho lazainareo
"ahoana no fomba hitenenanareo na inona no ho lazaina." Azo akambana ireo hevitra anankiroa ireo: "inona no tokony ho lazainareo"
# fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina
Azo atao hoe DH: "fa ny Fanahy Masina no hilaza aminareo izay ho lazaina"
# amin'io ora io
Eto ny "ora" dia midika hoe "amin'io fotoana io mihitsy." DH: "amin'izay fotoana izany mihitsy" na "amin'izany fotoana izany"
# ny Fanahin'ilay Rainareo
Raha ilaina, dia azo adika hoe "Fanahin'Andriamanitra Rainareo any an-danitra" io na azo asiana fanamarihana mba hampazava tsara fa maneho an'Andriamanitra Fanahy Masina io fa tsy fanahin'ny ray ety an-tany akory.
# Rainareo
Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra io.
# ao aminareo
"amin'ny alalanareo"