plt_tn/mat/10/19.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra ireo mpianany i Jesosy, momba ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory.

Rehefa manolotra anareo izy ireo

"Rehefa manolotra anareo eo amin'ny filan-kevitra ny olona." Ny "olona"eto dia ireo olona tao amin'ny 10:16 ihany.

aza manana ahiahy

"aza miahiahy"

ahoana na inona no ho lazainareo

"ahoana no fomba hitenenanareo na inona no ho lazaina." Azo akambana ireo hevitra anankiroa ireo: "inona no tokony ho lazainareo"

fa homena anareo amin'io ora io izay tokony ho lazaina

Azo atao hoe DH: "fa ny Fanahy Masina no hilaza aminareo izay ho lazaina"

amin'io ora io

Eto ny "ora" dia midika hoe "amin'io fotoana io mihitsy." DH: "amin'izay fotoana izany mihitsy" na "amin'izany fotoana izany"

ny Fanahin'ilay Rainareo

Raha ilaina, dia azo adika hoe "Fanahin'Andriamanitra Rainareo any an-danitra" io na azo asiana fanamarihana mba hampazava tsara fa maneho an'Andriamanitra Fanahy Masina io fa tsy fanahin'ny ray ety an-tany akory.

Rainareo

Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra io.

ao aminareo

"amin'ny alalanareo"