plt_tn/mat/08/30.md

844 B

Ary

Ity teny ity dia ampiasaina mba hanamarika fiatoana eo amin'ny fizotran'ny tantara. Eto i Matio dia manome fampahafantara fototra momba ireo kisoa izay teo talohan'ny nahatongavan'i Jesosy.

Raha mandroaka anay Ianao

Midika izany fa fantatr'ireo demonia fa handroaka azy ireo i Jeosy. DH: "Satria handeha handroaka anay Ianao"

anay

Ireo demonia ihany no voalaza amin'io.

tamin'izy ireo

Manondro ireo demonia ao anatin'ireo lehilahy io.

Dia nivoaka ireo demonia ka nankao amin'ireo kisoa

"Niala tamin'ireo lehilahy ireo demonia ary niditra tao amin'ireo kisoa"

indro

Io dia manaitra ny saintsika mba ho liana tsara amin'ny tranga mahatalanjona manaraka eo.

nirifatra nidina ny tendrombohitra mideza

"nihazakazaka faingana tanaty hantsana"

maty tao anaty rano

"nidoboka tao anaty rano izy ireo ka maty an-drano"