plt_tn/luk/17/05.md

997 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Misy fihatoana kely amin'ny fampianaran'i Jesosy raha miresaka aminy ireo mpianatra. Avy eo Jesosy manohy ny fampianarana.

Ampitomboy ny finoanay

''miangavy mba omeo finoana misimisy kokoa izahay'' na ''miangavy mba ampio finoana misimisy kokoa ny finoanay''

Raha manana finoana ohatran'ny voatsinampy ianareo

Ny ''voatsinampy'' dia voa faran'izay madinika. Jesosy milaza fa izy ireo dia tsy nanana na dia finoana kely fotsiny aza. DH: ''Raha nanana finoana ianareo na dia kely toy ny voatsinampy aza"

amin'io voroihazo io

Raha tsy fantatra ity karazan-kazo ity, dia mety hanampy ny fanoloana amin'ny karazan-kazo hafa. DH: '''hazon'aviavy'' na ''hazo''

Miongota, ary maniria any an-dranomasina

DH: ''esory ny fakanao ary ampanirio any an-dranomasina'' na ''esory hiala amin'ny tany ny fakanao, ary apetraho any ambanin'ny ranomasina''

hanaiky anareo izy

"hanaiky anareo ilay hazo.'' Raha manam-pinoana ihany izy ireo vao hitranga izany.