plt_tn/luk/14/01.md

994 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity no fizarana manaraky ny tantara. Andro Sabata izao ary ao an-tranon'ny Fariseo Jesosy. Ny andininy 1 dia manome fampahafantarana fototra momban'ny fizotrin'ny tantara.

Ary indray Sabata

Ity dia maneho hetsika vaovao.

hihinana mofo

"hisakafo." Ny mofo dia isan'ny manan-danja lehibe amin'ny sakafo ary nampiasaina izany eto mba hanehoana ny sakafo.

nanara-maso Azy akaiky

Te-hahita izy ireo raha afaka miapanga Azy amin'ny fanaovana zavatra tsy mety.

Indro, teo anoloany nisy lehilahy iray

Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika ho amin'ny olona vaovao ao amin'ny tantara. Ny fiteninao dia mety manana fomba hanaovana izany.

nampijalian'ny edema

Ny edema dia fivontosana ateraky ny rano miangona ao amin'ny fizaran'ny vatana. Ny fiteny sasany dia mety manana anarana ho an'izany tranga izany.

Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata, sa tsia?

"Ny lalàna ve mamela anay hanasitrana amin'ny Sabata, sa voararany izany?