# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity no fizarana manaraky ny tantara. Andro Sabata izao ary ao an-tranon'ny Fariseo Jesosy. Ny andininy 1 dia manome fampahafantarana fototra momban'ny fizotrin'ny tantara. # Ary indray Sabata Ity dia maneho hetsika vaovao. # hihinana mofo "hisakafo." Ny mofo dia isan'ny manan-danja lehibe amin'ny sakafo ary nampiasaina izany eto mba hanehoana ny sakafo. # nanara-maso Azy akaiky Te-hahita izy ireo raha afaka miapanga Azy amin'ny fanaovana zavatra tsy mety. # Indro, teo anoloany nisy lehilahy iray Ny teny hoe "indro" dia manaitra antsika ho amin'ny olona vaovao ao amin'ny tantara. Ny fiteninao dia mety manana fomba hanaovana izany. # nampijalian'ny edema Ny edema dia fivontosana ateraky ny rano miangona ao amin'ny fizaran'ny vatana. Ny fiteny sasany dia mety manana anarana ho an'izany tranga izany. # Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata, sa tsia? "Ny lalàna ve mamela anay hanasitrana amin'ny Sabata, sa voararany izany?