plt_tn/luk/10/25.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown

# Indro, nisy mpampianatra
Ity dia manaitra antsika ho amin'ny hetsika vaovao sy mpandraya anjara vaovao ao amin'ny tantara.
# hitsapa Azy
"hanao fanamby an'i Jesosy"
# Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Ahoana no famakianao izany?
Jesosy dia tsy mitady fanazavana. Mampiasa ity fanontaniana ity Izy mba hitsapana ny fahalalan'ilay mpampianatra Jiosy. DH: "Lazao Ahy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna"
# Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna?
DH: "Inona no voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna?"
# Ahoana no famakianao izany?
"Inona no voavakinao tao amin'izany?" na "Ahoana no fahazoanao izay lazain'izany?"
# Tiavo ... ary ny namanao tahaka ny tenanao
Ilay lehilahy dia nilaza izay voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna
# amin'ny fonao ... amin'ny fanahinao ... amin'ny herinao ... amin'ny fisainanao
Ireo rehetra ireo dia midika fa ny olona dia tsy maintsy mitia tanteraka an'Andriamanitra miaraka amin'ny maha izy azy rehetra.
# ny namanao tahaka ny tenanao
Ity fanoharana ity dia afaka atao mazava tsara. DH: "Tiavo be tahaka ny hitiavanao ny tenanao ny namanao"
# ny namanao
Ity dia maneho ny mpiara-monin'ny olona iray. DH: "ny olona eo amin'ny fiaraha-moninao"