plt_tn/luk/10/25.md

1.2 KiB

Indro, nisy mpampianatra

Ity dia manaitra antsika ho amin'ny hetsika vaovao sy mpandraya anjara vaovao ao amin'ny tantara.

hitsapa Azy

"hanao fanamby an'i Jesosy"

Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Ahoana no famakianao izany?

Jesosy dia tsy mitady fanazavana. Mampiasa ity fanontaniana ity Izy mba hitsapana ny fahalalan'ilay mpampianatra Jiosy. DH: "Lazao Ahy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna"

Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna?

DH: "Inona no voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna?"

Ahoana no famakianao izany?

"Inona no voavakinao tao amin'izany?" na "Ahoana no fahazoanao izay lazain'izany?"

Tiavo ... ary ny namanao tahaka ny tenanao

Ilay lehilahy dia nilaza izay voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna

amin'ny fonao ... amin'ny fanahinao ... amin'ny herinao ... amin'ny fisainanao

Ireo rehetra ireo dia midika fa ny olona dia tsy maintsy mitia tanteraka an'Andriamanitra miaraka amin'ny maha izy azy rehetra.

ny namanao tahaka ny tenanao

Ity fanoharana ity dia afaka atao mazava tsara. DH: "Tiavo be tahaka ny hitiavanao ny tenanao ny namanao"

ny namanao

Ity dia maneho ny mpiara-monin'ny olona iray. DH: "ny olona eo amin'ny fiaraha-moninao"