# Indro, nisy mpampianatra Ity dia manaitra antsika ho amin'ny hetsika vaovao sy mpandraya anjara vaovao ao amin'ny tantara. # hitsapa Azy "hanao fanamby an'i Jesosy" # Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Ahoana no famakianao izany? Jesosy dia tsy mitady fanazavana. Mampiasa ity fanontaniana ity Izy mba hitsapana ny fahalalan'ilay mpampianatra Jiosy. DH: "Lazao Ahy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna" # Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? DH: "Inona no voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna?" # Ahoana no famakianao izany? "Inona no voavakinao tao amin'izany?" na "Ahoana no fahazoanao izay lazain'izany?" # Tiavo ... ary ny namanao tahaka ny tenanao Ilay lehilahy dia nilaza izay voasoratr'i Mosesy ao amin'ny lalàna # amin'ny fonao ... amin'ny fanahinao ... amin'ny herinao ... amin'ny fisainanao Ireo rehetra ireo dia midika fa ny olona dia tsy maintsy mitia tanteraka an'Andriamanitra miaraka amin'ny maha izy azy rehetra. # ny namanao tahaka ny tenanao Ity fanoharana ity dia afaka atao mazava tsara. DH: "Tiavo be tahaka ny hitiavanao ny tenanao ny namanao" # ny namanao Ity dia maneho ny mpiara-monin'ny olona iray. DH: "ny olona eo amin'ny fiaraha-moninao"