plt_tn/luk/10/17.md

1.2 KiB

fitopolo

Ianao dia mety mila manampy fanamarihana: "Ny dikan-teny sasany dia manao hoe '72' raha tokony ho '70'"

tamin'ny anaranao

Eto ny "anarana" dia maneho ny hery sy fahefan'i Jesosy.

fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka

"fahefana handeha eo amin'ny menarana sy hamotika maingoka." Ireo dika azo atao: 1) Ity dia maneho ny tena menarana sy maingoka na 2) ny menarana sy maingoka dia sariteny ho an'ny fanahy ratsy.

hanitsaka menarana sy maingoka

Ny tiana ambara dia hoe hanao izay izy ireo ary tsy haratra. DH: "mandehana eo amin'ny menarana sy maingoka dia tsy handratra anao izy ireo"

ambonin'ny hery rehetran'ny fahavalo

"Nomeko fahefana hamotika ny herin'ny fahavalo ianareo" na "Nomeko fahefana handresy ny fahavalo ianareo." Satana ilay fahavalo.

aza mifaly fotsiny amin'izany, hoe nanaiky anareo ny fanahy

"aza mifaly fotsiny nohon'ny naneken'ny fanahy anareo." DH: "Mifalia kokoa hoe voasoratra any an-danitra ny anaranareo noho ny mifaly fa nanaiky anareo ny fanahy!"

voasoratra any an-danitra ny anaranareo

DH: "Nosoratan'Andriamanitra any an-danitra ny anaranareo" na "ny anaranareo dia ao amin'ny lisitry ny olona izay mponin'ny lanitra"