plt_tn/luk/10/17.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# fitopolo
Ianao dia mety mila manampy fanamarihana: "Ny dikan-teny sasany dia manao hoe '72' raha tokony ho '70'"
# tamin'ny anaranao
Eto ny "anarana" dia maneho ny hery sy fahefan'i Jesosy.
# fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka
"fahefana handeha eo amin'ny menarana sy hamotika maingoka." Ireo dika azo atao: 1) Ity dia maneho ny tena menarana sy maingoka na 2) ny menarana sy maingoka dia sariteny ho an'ny fanahy ratsy.
# hanitsaka menarana sy maingoka
Ny tiana ambara dia hoe hanao izay izy ireo ary tsy haratra. DH: "mandehana eo amin'ny menarana sy maingoka dia tsy handratra anao izy ireo"
# ambonin'ny hery rehetran'ny fahavalo
"Nomeko fahefana hamotika ny herin'ny fahavalo ianareo" na "Nomeko fahefana handresy ny fahavalo ianareo." Satana ilay fahavalo.
# aza mifaly fotsiny amin'izany, hoe nanaiky anareo ny fanahy
"aza mifaly fotsiny nohon'ny naneken'ny fanahy anareo." DH: "Mifalia kokoa hoe voasoratra any an-danitra ny anaranareo noho ny mifaly fa nanaiky anareo ny fanahy!"
# voasoratra any an-danitra ny anaranareo
DH: "Nosoratan'Andriamanitra any an-danitra ny anaranareo" na "ny anaranareo dia ao amin'ny lisitry ny olona izay mponin'ny lanitra"