plt_tn/luk/01/05.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ilay anjely maminany ny fahaterahan'i Jaona

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Zakaria sy Elizabeta dia efa nampahafantarina. Ireto andininy ireto dia manome fampahafantarana fototra momban'izy ireo.

Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia

"Nandritry ny fotoana nitondran'i Heroda mpanjaka an'i Jodia"

dia nisy

"dia nisy miavaka" na "dia nisy." Izany dia fomba iray entina mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara. Raiso ny fomba fampiasan'ny fiteninao izany.

fizarazarana

Efa azo fa manambara ireo mpisorona izany. DH: "fizarazaran'ireo mpisorona" na "vondron'ireo mpisorona''

an'i Abia

"izay avy amin'ny taranak'i Abia." Abia dia razamben'ity vondron'ny mpisorona ity ary izy rehetra dia avy amin'ny taranak'i Arona, izay mpisorona Israeliana voalohany.

Ny vadiny dia avy amin'ny zanaka vavin'i Arona

"Ny vadiny dia avy amin'ny taranak'i Arona.'' Izany dia midika fa mitovy lanja amin'ny mpisorona tahaka an'i Zakaria izy. DH: "Ny vadiny ihany koa dia avy amin'ny taranak'i Arona'' na ''Zakaria sy Elizabeta vadiny dia samy avy amin'ny taranak'i Arona"

avy amin'ny zanaka vavin'i Arona

"avy amin'ny taranak'i Arona"

teo anatrehan'Andriamanitra

"teo imason'Andriamanitra" na "araka ny hevitr' Andriamanitra"

ireo didy sy toromarika rehetran'ny Tompo

"ireo rehetra nandidiana sy notakian'ny Tompo"

kanefa

Ity teny mifanohitra ity dia mampiseho fa izay manaraka eto dia mifanohitra amin'izay andrasana. Ny olona nanantena hoe raha manao izay marina izy ireo, dia ho avelan'Andriamanitra hanan-janaka. Na dia nanao ny marina aza ity mpifankatia ity, dia tsy nahazo zanaka izy ireo.