plt_tn/jud/01/14.md

626 B

Ilay fahafiton'i Adama

Raha nisaina ho taranaka voalohany amin'ny olombelona i Adama, dia i Enoka no fahafito. Raha isaina ho voalohany ny zanak'i Adama, dia i Enoka no fahenina.

Indro

"Henoy" na "Hifantohy tsara ity zavatra manan-danja izay ho lazaiko ity."

Hanatanteraka ny fitsarana amin'ny

"Manameloka" na "Mitsara"

Mpimonomonona, mpitaraina,

Olona izay tsy te hankatoa sy hiteny manohitra ny fahefan'Andriamanitra. Ny "mpimonomonona" dia miteny mangina, raha miteny am-pahibemaso ny "mpitaraina."

Mpieboebo fatratra

Olona izay midera tena mba ho ren'ny hafa.

Mandoka ny hafa

"Mody midera ny hafa."