plt_tn/jud/01/12.md

2.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Joda dia nampiasa sarin-teny maromaro mba hamaritana ireo lehilahy tsy araka an'Andriamanitra. Izy dia milaza amin'ireo mpino ny fomba ahafantarana ireo lehilahy ireo rehefa eo anivon'izy ireo.

Ireo dia ilay olona

Ny teny hoe "Ireo" dia manondro ireo "lehilahy tsy araka an'Andriamanitra."

Harambato miafina

Ny harambato dia vato lehibe izay tena akaiky ny ahavon'ny rano eny amin'ny ranomasina. Koa satria tsy afaka mahita azy ireny ireo tantsambo, dia tena mampidi-doza tokoa izy ireny. Ho mora simba ny sambo raha midona amin'ireo vato ireo.

Hazo fararano tsy misy voany

Mety ho dikany dia izao: ireo olona ireo dia mitovy amin'ny 1) hazo izay antenain'ny olona hijinjana vokatra, kanefa tsy misy, na 2) hazo izay tsy mamoa mihintsy.

Voany

Ity dia sarin-tenin'ny fiainana izay mampifaly an'Andriamanitra sy manampy ny olon-kafa.

Indroa maty, nofongorina ny fakany

Ny hazo izay izay nofongorin'ny olona ny fakany dia sarin-teny ho an'ny fahafatesana

Nofongorina ny fakany

Tahaka ny hazo izay nofongorina tanteraka tamin'ny tany tamin'ny fakany, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia nisaraka tamin'Andriamanitra izay loharanom-piainana.

Onja-dranomasina mahery

Toy ny onja-dranomasina izay atopatopan'ny rivotra mifofofofo, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia mora miovaova amin'ny lalana samihafa.

Mitopatopa mamorivory ny fahamenaran'izy ireo

Tahaka ny rivotra miteraka onjan-dranomasina ka mamoka ny rivotra maloto - dia ireo lehilahy ireo, amin'ny alalan'ny fampianaran-diso sy ny fihetsika, dia menatra ny tenan'izy ireo. DH: "Toy ny fitondran'ireo onja ny loto, ireo lehilahy ireo dia mandoto ny hafa amin'ny fahamenarany."

Kintana mirenireny

ireo izay nianatra ireo kintana fahiny dia nahatsikaritra fa ny antsointsika hoe planeta dia tsy mihetsika toy ny fanaon'ny kintana. DH: "kintana miovaova" na "kintana mietsiketsika"

Kintana, izay mitahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.

"Kintana. Andriamanitra dia nanokana toerana iray feno haizina ho azy ireo, izay hitazomany azy ireo mandrakizay."