# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Joda dia nampiasa sarin-teny maromaro mba hamaritana ireo lehilahy tsy araka an'Andriamanitra. Izy dia milaza amin'ireo mpino ny fomba ahafantarana ireo lehilahy ireo rehefa eo anivon'izy ireo. # Ireo dia ilay olona Ny teny hoe "Ireo" dia manondro ireo "lehilahy tsy araka an'Andriamanitra." # Harambato miafina Ny harambato dia vato lehibe izay tena akaiky ny ahavon'ny rano eny amin'ny ranomasina. Koa satria tsy afaka mahita azy ireny ireo tantsambo, dia tena mampidi-doza tokoa izy ireny. Ho mora simba ny sambo raha midona amin'ireo vato ireo. # Hazo fararano tsy misy voany Mety ho dikany dia izao: ireo olona ireo dia mitovy amin'ny 1) hazo izay antenain'ny olona hijinjana vokatra, kanefa tsy misy, na 2) hazo izay tsy mamoa mihintsy. # Voany Ity dia sarin-tenin'ny fiainana izay mampifaly an'Andriamanitra sy manampy ny olon-kafa. # Indroa maty, nofongorina ny fakany Ny hazo izay izay nofongorin'ny olona ny fakany dia sarin-teny ho an'ny fahafatesana # Nofongorina ny fakany Tahaka ny hazo izay nofongorina tanteraka tamin'ny tany tamin'ny fakany, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia nisaraka tamin'Andriamanitra izay loharanom-piainana. # Onja-dranomasina mahery Toy ny onja-dranomasina izay atopatopan'ny rivotra mifofofofo, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia mora miovaova amin'ny lalana samihafa. # Mitopatopa mamorivory ny fahamenaran'izy ireo Tahaka ny rivotra miteraka onjan-dranomasina ka mamoka ny rivotra maloto - dia ireo lehilahy ireo, amin'ny alalan'ny fampianaran-diso sy ny fihetsika, dia menatra ny tenan'izy ireo. DH: "Toy ny fitondran'ireo onja ny loto, ireo lehilahy ireo dia mandoto ny hafa amin'ny fahamenarany." # Kintana mirenireny ireo izay nianatra ireo kintana fahiny dia nahatsikaritra fa ny antsointsika hoe planeta dia tsy mihetsika toy ny fanaon'ny kintana. DH: "kintana miovaova" na "kintana mietsiketsika" # Kintana, izay mitahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina. "Kintana. Andriamanitra dia nanokana toerana iray feno haizina ho azy ireo, izay hitazomany azy ireo mandrakizay."