forked from WA-Catalog/plt_tn
44 lines
2.1 KiB
Markdown
44 lines
2.1 KiB
Markdown
|
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
||
|
|
||
|
Joda dia nampiasa sarin-teny maromaro mba hamaritana ireo lehilahy tsy araka an'Andriamanitra. Izy dia milaza amin'ireo mpino ny fomba ahafantarana ireo lehilahy ireo rehefa eo anivon'izy ireo.
|
||
|
|
||
|
# Ireo dia ilay olona
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "Ireo" dia manondro ireo "lehilahy tsy araka an'Andriamanitra."
|
||
|
|
||
|
# Harambato miafina
|
||
|
|
||
|
Ny harambato dia vato lehibe izay tena akaiky ny ahavon'ny rano eny amin'ny ranomasina. Koa satria tsy afaka mahita azy ireny ireo tantsambo, dia tena mampidi-doza tokoa izy ireny. Ho mora simba ny sambo raha midona amin'ireo vato ireo.
|
||
|
|
||
|
# Hazo fararano tsy misy voany
|
||
|
|
||
|
Mety ho dikany dia izao: ireo olona ireo dia mitovy amin'ny 1) hazo izay antenain'ny olona hijinjana vokatra, kanefa tsy misy, na 2) hazo izay tsy mamoa mihintsy.
|
||
|
|
||
|
# Voany
|
||
|
|
||
|
Ity dia sarin-tenin'ny fiainana izay mampifaly an'Andriamanitra sy manampy ny olon-kafa.
|
||
|
|
||
|
# Indroa maty, nofongorina ny fakany
|
||
|
|
||
|
Ny hazo izay izay nofongorin'ny olona ny fakany dia sarin-teny ho an'ny fahafatesana
|
||
|
|
||
|
# Nofongorina ny fakany
|
||
|
|
||
|
Tahaka ny hazo izay nofongorina tanteraka tamin'ny tany tamin'ny fakany, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia nisaraka tamin'Andriamanitra izay loharanom-piainana.
|
||
|
|
||
|
# Onja-dranomasina mahery
|
||
|
|
||
|
Toy ny onja-dranomasina izay atopatopan'ny rivotra mifofofofo, ny olona tsy araka an'Andriamanitra dia mora miovaova amin'ny lalana samihafa.
|
||
|
|
||
|
# Mitopatopa mamorivory ny fahamenaran'izy ireo
|
||
|
|
||
|
Tahaka ny rivotra miteraka onjan-dranomasina ka mamoka ny rivotra maloto - dia ireo lehilahy ireo, amin'ny alalan'ny fampianaran-diso sy ny fihetsika, dia menatra ny tenan'izy ireo. DH: "Toy ny fitondran'ireo onja ny loto, ireo lehilahy ireo dia mandoto ny hafa amin'ny fahamenarany."
|
||
|
|
||
|
# Kintana mirenireny
|
||
|
|
||
|
ireo izay nianatra ireo kintana fahiny dia nahatsikaritra fa ny antsointsika hoe planeta dia tsy mihetsika toy ny fanaon'ny kintana. DH: "kintana miovaova" na "kintana mietsiketsika"
|
||
|
|
||
|
# Kintana, izay mitahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina.
|
||
|
|
||
|
"Kintana. Andriamanitra dia nanokana toerana iray feno haizina ho azy ireo, izay hitazomany azy ireo mandrakizay."
|